You are here: home > Vetso

Malalaka - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

MALALAKA

Ny fihavanantsika
Efa resak’adala
Tsy afaka handeha
Amin’ny laoniny intsony
Fa mondro tanteraka !
Ka tsotra ny teniko :
Izaho tsy voahozona ho mpankahala !
Izaho tsy azon-doza ho tia lonilony !
Fa ianao mankahàtra
Mba tsy lefitro kosa
Ny hanaiky ny hoe:
Avela ho momba
Sy ho mosarena
Kanefa dia Ray aman-dReny niteraka
Ka raha tsy mahadiso
Tsy aleo ve misaraka
Tsisy maratra   e?

Ny fihavanantsika
Efa maty tambazana !
Tantely afa-drakotra
Matinao tompo
Ka saino ny todiny;
Fa izaho ve sakaiza
No namono voay
Dia ny olo-mandalo
No hiravaka ny hodiny ?

Izaho kosa tsy afaka hijaly irery,
Fa raha  ho any ianao
Dia soava-dia !
Tsy omeko tsiny ,fa aleoko aza very...

SARONDRAHONA  RAMBOLAMANANA  ( 033 14 253 57)
Faribolana  SANDRATRA Antananarivo
Beronono faha ,27 jona 2003

Sokajy : Namana