You are here: home > Vetso

Mamo - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

MAMO

Tsy fantatro intsony
Fa mamo aho izao !
Mamon’ny fiainako napetrakao !
Mamon’ny ho aviko narodanao !
Mamo ! mamo !
Mamo tanteraka;
Mamon’Ambato tsy nisy niteraka !

Tsy tsapako intsony
Fa leo aho izao !
Leon’ny fiainako nadabokao !
Leon’ny manonona ny anaranao !
Leo ! Leo !
Leon’ny safoaka !
Leon’ny bala
Tsy nisy napoaka !!!

Ka aoka fa mamo sy leo aho izao :
Leon’ny voafitaky ny anaranao !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty, faha 16 Mey 2003

Sokajy : Ahiahy

Hametraka hevitra

Midira aloha