Manambana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANAMBANA

Izaho manana ny hevitro
Sy fisaina momba antsika,
Fa tsy handingan –taona intsony
Dia ho tapaka ny tady :
Ho torotoro sy hipiaka
Ary ho montsana tanteraka !
Hevokevo-kala sisa
No andrasana hipoaka
Dia hirefotra ny ady :
Hisy fonja iray ho teraka !!!

Izaho manam – panahiana
Sy tebiteby an –kilahika,
Fa tsy handingana eto akory
Dia ho fefika ny sambo :
Ho vaky sy hisaratsaraka,
Ary ho torotoro rafitra !
Ela ihany ity ny ela
Ka hipotsaka eto imasoko
Ny fanaovanao an –kambo
Hatrizay niraisan –dafitra !

Izaho… ianao…
Samy nilomay ery;
Nihazakazaka hiantsampy
Sy nilahatra ho tiana :
“Nitsapatsapa ny ho doria !
Nikiry ho kanto famololona !”
Nefa nofy ihany izany
Ary hirodana tsy ho ela
Ny lokalokam –paniriana;
Raha ohatra anao daholo ny olona !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
749 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131