Mandroso...madio (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDROSO…MADIO…

Mandroso i Tanàna
Rehefa nalàna
‘Reo fatin –korontana
Sy entan –kitay ;
Nanafi –madinika
Teto hatrizay !

Mandroso i Tanàna
Ka indro tsy tana,
Ny fandrodanana
Ny olona ambany,
Tsy manan –kadasitra
Sy fananan –tany !

Madio i Tanàna !
Tsy maintsy fafàna
Ho ankalamanjàna
Ny TRANO HAZO teo;
Fa “miteraka loto
Sy aretina ireo !”

Mandroso i Tanàna
Ka ravàna daholo
Izay tiana ravàna,
Aripaka hatramin’
Ny hoe : “fanajàna
Ny zo mba hivelona !”

Mandroso i Tanàna
Ka toa fahotàna
Ny monina ety !

MANDORO… MADIO…
Haripaka ho aiza ary i Tanàna io ?

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
825 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149