Marary vavony (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARARY VAVONYFa mamy tsy foy hoatra an'iza SAKAIZA
Ny tena mba tsiron'ny seza Ohatr'itony;
Dia hitondra ho aiza ?
Vao anankiroa izao no nazera teo,
Dia mihoko amin'ny fatana sy ny vilany :
Vaky barara, MARARY VAVONY,
TSY TIA TSARAMASO !
Kanefa any an-ketsa
Manjary salama;
Tsy dininy akory ny andraso... andraso...
Fa mambosibosika, homana ihany !
Mba hafa ny fihevitry ny olona sasany,
Fa ny hitondra bontolo eo foana
no fara -tampon'ny zavatra andrasany;
Nefa efa teo !
Tsy nisy n'inona n'inona niangana akory:
"Ny Olona entiny ery efa leo,
Izy avy mihinana ety dia matory !"
Afa - baraka !
Fa ny OLomboafidy sy Ben'ny Tanàna
No nahorongorony anaty fonosana,
Saika hofafàny;
Noheveriny angamba ity olona ity
fa gadragadraina
Tsy misy lalàna!?
Afaka ireo , fa ny vavam -bahoaka ?
Tsy mety mangina !
Tsy mety voarara !
Ny hanoso -potaka any aminy ihany !!!
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
sarondrahona - Malalason
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANANampiditra : sarondrahona
Daty : 14/04/2004 13:07