You are here: home > Vetso

Matokia( valin -teny ho an'i tsihoarana) - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

MATOKIA ( valin-teny ho an’i TSIHOARANA)

Izaho efa ho lasa tsy hihemottra intsony
Fa tonga ny ora !
Io efa fev lana tonga hamony
Ka sarotra hatsora
Hipody ho matsatso !
Handeha aho ry zandry
Fa efa fotoana
Tsy azoko hakatso :

Kanefa tsariovy !

Ny tazny no miova
Fa tsy ny fanahy nananako akory;
Tsy dia ny  vavako !
Mba ranomasina nata o hihoaran’ireo Mpanamory
No tsy hitan’ny tavako !
Ianao sakaiza  tsy sarako teto
No lasa hifamoy :
Dia izay no tsy tanty !!!
Fa “ izaho : MALAGASY”
Ny kanto tiaviko ny ahy
Tsy mba maty !

Izaho na handeha : hanoratra ihany !
Izaho raha miova dia resaka tany !
Ka na folo taona... Dia GASY aho any !!!

Ka matokia,
Fa tsy maintsy hajaiko ity teniko ity !


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA  Antanana rivo
Rarihasina Analakely, faha 27 Aprily 2003