Miandry (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa sombinaiko heverinao hoe :
Ireo kilalao miparitaka ireo
No KRISMASY;
Dia hevitra diso…
Endrika ivelany fotsiny ireny
Natolotr’ireo fombafomba vahiny,
Hianaran’ny GASY!!!

Ianao aza taitra amin’ny vahoaka be
Raha ny Tranombarotra be fanomezana
No ifamenoana;
Tsy izay no NOELY !
Fa ireny no fomban’ny Mpanankarena
Entiny tena ideraderana
Sy isehosehoana…

Tsy hoe tsisy vola aho raha miteny izany,
Fa raha fandaniana amin’ny rariny isika,
Mba manana ihany…
Manana I DADA!!!

Fa ny NOELY ?
Dia fankalazana “ilay ZAZAKELY,
Sy ILAY FAMONJENA”;
Fa hoe : “Amintsika
Ilay Andriamanitra nanolo –tena!”


17 Desambra 2003





Satria mba noheveriko ho tsara aminao
Ny kanto niaraha-nitia hatrizao:
Vaovao ny taona,
Vaovao ny teny…
Fa ireo izay voasoratro kosa, ahoana ?
Voa nambolena,
Ambioka nafafy…
Ka tonta na vao noho ianao izy ireny!
Fa raha ny halavirana hoe nosedrainy,
Mba isan’ny nikiry sy niezaka mafy!!!

Izaho moa SAKAIZA, hanoratra foana;
Tsy teny ho an’iza fa ho anao ihany,
Ary ho anao, na aiza na aiza…

SAMY ARAHABAINA
FA TRATRY NY TAONA E!

Mirary ny soa aho !
Maniry ny kanto !





2004
























Noho ny NOELY 2003,
ny taona vaovao
sy ny 2004 hiarahana hamakivaky ;
ary indrindra ny SORATRA
izay mampiombona antsika.
Dia tsy haiko ny hangina fa
MIRARY NY SOA
SY NY KANTO rehetra ho anao aho.Samia hotahian’Andriamanitra e!







Sombin – taratasy avy amin’ny resatsika
Izao lazaiko izao:
Amafisiko eto iny sangisangiko iny
Fa“TIAKO BE IANAO !!!”
TIAKO HO AHY IRERY!
Kanefa indray raha hoe
Hatambatrao fitia,
Dia aleoko aza, very !

Izay ihany anie e!

Miandry valiny aho
Na ho haingana na ho ela,
Fa misaotra be dia be.

Ataovy vetivety
Ny valiny, raha mety,

‘zay fa mandra –pihaona!





27 Novambra 2003






Ny fiainan –dry,
Tsy mitovy amin’ny fiainana iainako aty
Fa atao hoe : “morainy!”
Angamba ny alina ifametsoana
No mba itovizana;
Fa ny eto an-tanàna:
Tongotro sendra voafingana fotsiny
Dia hita andihizana,
Olona sendra voadona tsy nahy
Dia lasa vavàna !

Ianao any tony, fa izaho sakodiavatra:
Lalako niaka –tsy nidina teto,
Tsy vakiko intsony !!!

Indry mbola sambatra,
Fa ny itolomana sy mampahory
Dia ny adin –tsaina;
Izaho ity lahoana amin’ny olon –drehetra:
Ny alina iafenako anatin’ny aizina,
Tsy sitrako haraina !
Miezaka hitsiky,
Kanefa vao mainka miha-bongo ny maso :
Alentik’adalo !

Ny adin –dry,
Tsy mitovy amin’ny ady atrehako aty,
Fa atao hoe : “karazany !”
Ny ahy izao namana mba nitarainana
Tonga nandatsa:
Nanjary fahavalo…
Ikakakakàny aho raha sendra tazany !!!

Tokana ny ady, kanefa tsarovy
Fa ny onjam –piainana aky tsy mitovy a!

Mandriana ny aty !!!

25 Jolay 2003


Raha mba mamy ihany zandry ny fiarahana hatrizay
Sy ny antony ifankatiavana ;
Ary raha mba tian’ise ny hampanara –dia anay:
Hilahatra, hitandavana,
Na irian’ise hananana ny fahatsiarovana an’I FENO;
Dia izao bedibedy izao no ataovy folo an –tanana :

N’inona n’inona adilahy sy fifamaliana kely
Any an-tokantrano any,
Fadio ny mikasi –tanana:
“NY ZANAK’OLONA TANDREMO !!!”

Hampakatra azy ise dia hiroso,
Ka ito ny ahy mba teny kely :
Ataovy an –tsaina lalandava
Sy mba diniho tsara zandry,
Fa “ny olombelona tsy anjely !”
Aoka aloha izay hazava;
Fa sao dia resa –tondro –molotra
Sy siosio mba henoheno
No hamonoana andefomandry,
Na hampodiana Zanak’olona.,
Ataovy fetry ny fitiavana
Ny fara – fiantran’ise
Sy ny fara –fandeferana,
Ka izao no hafatro ry zandry :
“raha sendra lavo izy : hareno !!!”

Fenoy soratra ny lalana sy ny takelaka rehetra,
Ataovy tototra eny : “FENO !!!”
Fa ny ahy ny rahona eny ambony
No hovontosako valopy sy taratasy ho an’ise;
Ka vao saron – drahona iny,
Dia tsarovy izaho onena sy mibedibedy hoe :
“NY ZANAK’OLONA E ! TANDREMO !!!
--------
Rohy:
1235 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahona
Daty : 27/05/2004 10:28
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015