You are here: home > Vetso

MIORINA - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

nifankatia mangina tanaty bedy isika
Fa mamy ny fiarahana;
dia nisedra riana,
nisangisangy riaka
tanaty fangorahana,
tanaty rahoraho;
fa tsy nivadika aho
na dia mafy aza
ny ataon'ny havanao.

jereo ny manodidina
raha mba mijery antsika;
fa samy mankahala
mifosa miaka-midina,
dia samy manadala
sy mitantara angano
fa tsy mivadika aho,
na folo sakana aza
ny havako ato an-trano

fa mamy ny fitiavana
mamy ny tantara
dia mainka toa tantely
ny tsiron'ny fitia
rehefa injay voarara:
mitombo lanja ery


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha