Miorina (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIORINA

Nifankatia mangina
Tanaty bedy isika,
Fa mamy ny fiarahana !
Dia nisedra riana,
Nisangisangy riaka
Tanaty fangorahana,
Tanaty rahoraho:
Nifankatia isika,
Na dia mafy aza
Ny ataon'ny havanao !!!

Jereo ny manodidina
Raha mba mijery antsika,
Fa samy mankahala,
Mifosa miaka -midina,
Dia samy manadala
Sy mitantara angano;
Fa tsy mivadika aho
Na folo sakana aza
Ny havako ato an -trano

Fa mamy ny fiarahana,
Mamy ny tantara;
Dia mainka toa tantely
Ny tsiron'ny fitia
Rehefa injay voarara:
Mitombo lanja ery !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1072 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105