Mitody (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITODY

Izaho tsy mandatsa raha hisaraka isika
Kanefa tsarovy;
Fa ny hevitra entina ety sombinaiko,
Tsy hary mitovy !
Tsy hary sahala !
Nefa tsarovy ny DINA natao,
Ny teny navela;
Fa ireny no hiaraka hitody aminao
Na akaiky na ho ela
Fa inona izay fahadisoana tsy nahy
No tsy ananan -kavana ?

ianao rehefa lasa dia mandra -pihaona :
Soava dia !!!
fa io tsy iforetana mandrakizay
na iza mitia;
fa ferana ihany !
Ny tia moa fisedra sy natao hiaritra
mandra -pahatofony;
Nefa tsy zaka
Raha tsindry hazolena
No setrin'izany !!!


' Zay mody... dia mody,
Fa raha ny fitiavana voatsipakao :
TSY MAINTSY MITODY !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
06 - 12 - 2003
FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo
Tél: 033 14 253 57
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
875 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144