Mosavy ratsy (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MOSAVY RATSY

Raha vao misy ALAHADY
Hidinanao eny an- tsaha :
Hitombanana, hiasàna;
Dia toa hitako sahady
Ny AFOBE miredareda
Tanindrazan-dry satàna,
Dia toa hitako ny angady
Mirehitra eny an –tsorokao,
Ohatry ny hitako sahady !

Raha vao misy ALAHADY
Atakalonao fiainana :
Hikimpiana, hitadiavana;
Dia toa hitako sahady
‘Reo karazam –pitarainana
Rehefa sendra ilay fandavana,
Dia toa hisy saina hiady
Sy handatsalatsa anao,
Ohatry ny hitako sahady !

Raha vao misy ALAHADY
Laninao mirenireny :
Ilokàna, ilalaovana;
Dia toa hitako sahady
Hy hantsana midanadàna
Sy ny HELO BE nitataovana;
Dia toa iny ianao vao hitady
Famonjena am – pomba diso,
Any tsisy risoriso !

Raha vao misy Olombelona
Mbola sasatra manota
Sy mitango fahotàna,
Dia toa hitako mielina
Eo alohany eo I JESOSY
Miala nenina hitàna,
Dia toa hitako izy avy eo
Fa tsy nino ka dia very,
…ohatry ny hitako izy teo !

Ka raha izaho ianao mivavaka,
Fa moramora foana anie
Ny hivarinana any an –davaka e !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
815 2
Mpakafy: sarondrahona - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183