You are here: home > Vetso

Nantenainy - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

NANTENAINY

Dia iny leisy ilay  Zavavy
Fa efa matin -tondro -molotra
Sy ny latsam -pianakavy
hoe :"manan -janaka amin'ialahy !"

Dia iny leisy ilay Zavavy
Fa efa toy ny fara -idiny
Sy resy samy Vehivavy:
Matin'avon'anadahy !

Dia iny leisy ilay malala
naharevo an'ialahy a !
Fa toy ny efa lasa adala
Vao mitsara ny fiainany

Jereo ilay Zazavavy iny,
Fa efa tsy mba vanon -ko olona;
Leon'ny itangoronan -tsiny
sy mandatsa ny fisainany !

Saingy ny azy iny, ho afany;
Telo volana eo no sisa
Araka ny fitarafany,
Dia hisava ny adin -tsainy;

Fa ny an'ialahy ?- Mandra -maty,
Dia hohenjehin'ny natao
Sy ny eritreritra tsy tanty,
Satria ialahy no NANTENAINY !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

aladin (15/04/2004 12:44:33)

milay be letsy le izy e!

aladin (15/04/2004 12:45:02)

milay be letsy le izy e!

sejianis (25/04/2004 16:35:42)

seulement bravo!!!!!!!!!!!!!!!!!!

hendry (08/05/2004 12:18:59)

anatra zany.

hery (22/04/2021 20:49:53)

Tsara kosa ity an