You are here: home > Vetso

Nivotsitra - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

NIVOTSITRA

Adinonao daholo
Ny teny ieranantsika
Nilàna tany Iarivo ;
Adinonao tanteraka !
Nilokaloka isika
Fa na alavitra aza
Hizotra tsy mba reraka,
Niaraka nanaiky
Fa hilaoka ranovola,
Hiaraka hisariaka.
Lokalokanao
Ny hahita ilay tanànako !
Hetahetanao
Ny hiresaka amin’ny namako !
Toa tsy andrinao aza;
Kanjo nony farany,
Nitsangana ho kisa
Sy nifamazavaza
Nanosy fanajàna;
Fa lasa tia anao
‘Lay zazavavy namako
sangan’ny tanàna.

Nanjary tsy ala sasatra
Na famangiana ahy
No nalehanao taty
Fa nitiavana fitia

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatoharanana Atsinanana- Beronono, faha 06 Jolay 2003


Hevitra mandeha

jeny (20/07/2004 19:26:55)

c'est l'horeur ce poème

sejianis (20/07/2004 20:40:52)

jeny> c'est pas l'horeur, c'est un génie!

Hametraka hevitra

Midira aloha