Poteho (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POTEHO

Izaho efa nety ny hampakatra anao
Vonona hiseho sy handoa VODIONDRY,
Ary vonona hitondra ;
fa izaho ve reitsy vao mihevitra andro
Dia i Dadanareo no manangan -totohondry ?!
ka inona indray no holazaiko amin'izany,
fa tsy izay efa nambarako ihany ?

Izaho efa niezaka hanao fanasàna,
Noho ny tongotro mby efa an -dakana
hanorina akany;
vao mba milefitra ny ato aminay,
Dia i Neninareo indray no vatomisakana:

Tena fanamby ny hoe tsy hipika
Fa sendra ny fefy tsy antonona isika.

Ny havako efa nangina tanteraka,
Ny avy any aminao indray
Mainka solanga fanavakavahana:
'Zahay mba nandefitra tamin'ny finoana,
Rangitinareo indray ny resa -tsaranga

'Zay resaka RAZANA AMBONY sy AMBANY,
Inona izany no tsy ajanona any e ?

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Tél: 033 14 253 57
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1028 2
Hevitra mandeha
lanto ( 27/05/2004 22:00)
manja ! manaitaitra ! masiatsiaka ! tsara e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108