Rano trambo - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Azo vakiana?
RANO TRAMBO
Ianao matimaty amin'ny Olo -mandalo:
Hitia tena tia !
Dia mianoka rivotra kely miserana
feno fanamby.
Ianao vao lalovany, itendreny kalo
Dia may hiara -dia;
Fa ny azy io, fitiavana sendra nitobaka :
Be manana amby !!!
Ianao revorevo kanefa izy anie
Tsy honina akory e!
Izaho namany aza no mba nikirizany
Sy novangiany!
Fa aty amintsika,hono, alavitra be
Tsy miada -matory
ka toa hihaza rivotra ianao sombinaiko
raha miady ho tiany !
kanefa asanao...!
Fa anao ny fitiavana 'ndeha hotavaniny !
Ianao no hiaina fitiavana roa sy hampirafesina
Tsy ianao ho very no tiako hahatongavana
Hiala amin'ny taniny;
fa sao re voafitaka ianao Sombinaiko
vao bedibedesina !!!
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Beronono - 2002
Hevitra mandeha
sejianis (25/04/2004 16:40:07)
Sarondrahona a!
Fa rivotra avy aiza angaha no ifohanao aingam-panahy?
Zendana aho mahita ny havesatry ny voambolana ampiasainao, sy ny halalin'ny hevitra sintoninao!
Na samy mpanoratra aza isika dia miondrika eo anatrehanao aho!
Sejianis
bitaka (03/11/2006 13:35:17)
Mombamomba
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahonaDaty : 15/04/2004
Mpamangy : 927
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
TSY TONGA VOLANASOAMAHAMANINA
MIASA ALINA
HAZONOELY 2012
VITSY
HOY IZY ANONA
AOKA ALOHA
FAMERINY
SETRINY ( Valin'ny HAFATR° i R A D O)
MIANDRY