You are here: home > Vetso

Sakanako - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

SAKANAKO

Sakanako ise
Satria mafy loatra
Ny dinam –pitia tany Antananarivo :
Nitia olon –tsotra !
Ny naman’ise indray aza no niaiky
Ireo lokaloka efa zato sy arivo
Nila handòtra;
Izao ity vao sendra ny tsara sy manja
Dia tapa –kevitra hiova fitàna;
Ilay “ZANAK’OLONA” ary sasa-miandry
Raiki –pitia koa ny eto an –tanàna:
Mifaly havanja !

Sakanako ise
Fa sintony ny fo
Hitodi –doha ho any Antananarivo;
Fa ny any taloha!
Ka sao mba hanody raha hapetrapetraka,
Ny lanjam –pitiavany anao koa
Tsiahivo.

Ka raha tsiniko izany,
Dia aleo tsiniko any !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Beronono- Anjozorobe, faha 02 Jolay 2003

Sokajy : FITIAVANA

Hametraka hevitra

Midira aloha