Sary indray nipika (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARY INDRAY NIPIKA

Vao nirava teo isika
Dia feno sary tato an-tsaiko :
Sarinao namihina ahy
Sy niondana ny tratrako !
Ny endrikao safononoky
Ny hafaliana feno fatrako !
Hatramin’ny tavanao nitsiky
Tamin’ny tonon-kira tsy haiko;
… fa nirava mantsy isika !!!

Vao nifarana ny fety
Dia feno hira tao an –tsofiko:
Hiranao mamelovelo
Irony antsan’ny fitiavana !
Kalokalonao nihira
Tia sy tiana mitandavana…
Ary ny antsanao nandrotsy
Nisarika ny nofinofiko !
… gadon –kira nisariaka .

vao nivoaka ny tokonana
Dia feno sary tao an –tsiaroko :
Ny hanihaninao nadriatra
Ny fahamaontina –notandroviko !
Ny vazivazinao tsy lany
Nifampitàna tamin’ny soviko !
Indrindra fa ianao sy ny hafa
Nanjary lasa nafangaroko !
… sangisangy feno hiaka.

Fa sangy ihany mantsy ireny
Ka navadiky ny izy:
Izaho sy ianao tsy nahalala
Izay tahiry tsy voalaza !
Ianao koa tsy nahafantatra
Na dia niondanako aza;
Fa indray nipika ny tantara,
Dia lasa kilalaon’ankizy :
… lasa SARY INDRAY NIPIKA

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA ANTANANARIVO
--------
Rohy:
912 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145