Sendrasendra (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SENDRASENDRA ( Ho an’i NY ANDY)

Tonga teto ise
Toa olona nandalo,
Namindra avy lavitry
Ny tafa nahazatra !
Toa mbola ‘ndeha hanainga.
Nefa sendrasendra
Tsy hita maso akory ;
Dia lasa valovotaka
Sy tafaray kalo ;
Ka gina ianao POETA
Fa teraka ny ainga !!!

Nipoita ho eto an –tany
Ny hira iray ho anao.

Monina eto ise,
Hitambatra fihavanana,
Hamehy ny ambaindain’
Ny tafa sy koràna !
Dia mahavariana lahy !
Fa iny lalan –davitra
Tsy namantarana iny,
No niova ho sampanana…
Vao gina ianao POETA
Dia niainga ny fanahy !!!
Tsy maty am –bavany any
‘zao tononkira izao

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
856 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147