Singany iray (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SINGANY IRAYTsy hoe antsafaina fa zavatra marina
Raha hampitoviako aminao i Neninay
Tsy dia sanatria hoe fitia angalarina
Fa tena mitovy aminao izy izay :
Rehefa koràna dia tena sariaka
Toa tsy ho tezitra mandrakizay
Rehefa misangy dia ohatry ny antsika :
Mangina ny sasany, ‘ndao indray ny iray !
Rehefa mba fety dia tsaroako tsara
Fa fomba fanaoko ny mamangy azy
‘Zay Reniko izay tsy mba diso anjara
Fa omena arahaba, izaràm –bazivazy
Dia tonga ny fety, fetin’ny Reny
Fomba ikambanana, fomba fandova
Ka eto aminao aho anio no hiteny
Sady hiarahaba ry Maman’i ROVA
Tonga hiharahaba aho no sady mirary
Fa betsaka loatra ny soa nifanaovana
Tsy hoe “andry adrisa” na ranjan –kabary...
Fa miavotra mbola tsy vory fitaovana
Ka arahabaina e ! Tolorana teny
Homban’izy Tompo, ho difin’ny vahona
Ity no hahatsiarovy ny fetin’ny Reny
Sady sonia fa “teo i SARONDRAHONA”
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty, faha 24 Mey 2002
--------
Rohy:
Sokajy :
Fety
Mpakafy:
sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANANampiditra : sarondrahona
Daty : 23/07/2004 08:37