You are here: home > Vetso

Sira - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

SIRA

Mampaninona azy moa
Raha ianao mba nifaharany
Sy mba nantenainy ho andry
No niraika tsy hiankinany ?
Izy anie tsy ho sasa –miandry e!
Tsy ahoany izay fahanginana
Fa efa zatra irery, izy iny !

Mampaninona ny singana
Ny mamoron –tabataba
Sy mihoraka ao am –pony ?
Mampaninona azy anefa ?
Izy tsy hisento intsony
Saingy tsy mirefarefa
Amin’ny tobatoba –tsiny !

Mampaninona azy irery
Ny mitia anao mangina
Any anaty faniriany ?
Tsy vitany ary ve izany ?
Fa izao no mba tsindriany :
Mihodikodina ny tany,
Ka  tsy ho diso anjara ianao !

Ka ny lalana niraisana
Aza amelàna faisana
Fa mandrodroka tantara

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo