Tafa kely (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAFA KELY ( ho an’i DODA ao AMBARIFAFY, Antanetibe Anativolo)

Vao miserana ny alina,
Dia efa hain’ise mikatsaka
Ny mety ho tara –pahazavàna
Ao anatin’aizim –pito
Tsy mbola tratran –dia akory !
Dia iny ise manandran –tsiky
Sady sahy mirobaroba :
Bandikely hafahafa !!!
Mahatsikaiky mihitsy ho’aho
Raha ise ity ry DODA !

Vao miserana ny lalina
Dia efa hain’ise mitady
Ny marivo hirobohana
Eo anivon –drano mamy,
Tsy nandramana lomano;
Dia iny ise mirafarafa
Sady sahy manipy sandry:
Bandikely sahisahy !
Mahavariana mihitsy ho’aho
Raha ise ity ry Zandry !

Ka ezahako ho tanana
Ny hoe : “ISIKA DIA MPIANAMANA
TSY MBA TOKONY HIFANARY”
Dia veloma indray àry,
Fa eto BERONONO eto
Toeram –panovozan –tsento
Am –piarahana mandalo
Nefa koa tsy fanakalo!

Fa raha izay i FENO foana
DODA a ! satriny aza, mihaona !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Beronono, 3 janoary 2001
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina
1574 2
Mpakafy: sarondrahona - Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0602