Tapitra (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAPITRA

Angamba ianao tsy hitondra teny
Raha mitroatra anio ny vavako
Momba ny fiarahantsika
In –jato alaina rony;
Tofoka tanteraka aho !
Ka tsy te –hamisavisa
Ny mombamomba anao rehetra,
Tsy te – hamohafoha intsony :
Tsy anjara angamba ny ho tafita !

Aoka izay ny nofinofy
Nisarihan –kasambarana,
Fa hay lalana tsy nety ;
Hevero hoe tantara vita
Ireny rehetrarehetra ireny :
Horonan-tsary iray mifarana !

Tsy mifanambàka isika
Fa nilain’ny tadidy
Mba nahaona vetivety,
Ka dia nentiny nanjeny,
Noratraina mba hanolatra…

Dia miverina amin’ny laoniny
Iny lalan –davitra iny,
Toy ny tany vita fety;

Iangaviana isika hirava
Sy handao ny sezany avy
Fa efa miakatra ny soratra :

Ny ao aoriana indray tongava !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
887 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161