You are here: home > Vetso

Tiako - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

TIAKO

Laingalainga kosa zandry
Fa rehefa tena tian’ise
Iny zanak’olona iny,
Dia tsy fahotàna mihitsy
Ny mamikitra azy an –tsandry !
Na mitsimpona ny diany !!!

Resaka ka mba atao
Fa ahoana moa no hamoizako
Ny fo natorian’ny foko ?
Sangy mba tsy tana fotsiny;
Fa io tsy resa – kilalao
Ka hoe : “ravàna dia hataoko !”


Ka laingalainga kosa zandry
Fa dia fanahy iniako mihitsy
Ny miandry azy sy mandìny,
Na hitanisa volana aza;
Fa ny ohatra azy mantsy vitsy !
Ary tena tiako izy iny !

Tiako mba ho ARO-FANIKO !
Tiako ho ravaky ny Taniko !
Tiako hitsidika  any amiko !
Ary TIAKO HO TOKANTRANOKO !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
23 Aogositra 2003
Faribolana SANDRATRA Antananarivo

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

bitaka (23/06/2006 10:48:04)

izaho konkooh mbô te hitoetra eo @io toerana manahirana io. efa namikotra mafy fa voasoroky ny Ankasoparana toy ilay nahazo an'i Ndrônana & Niavo mahantra ... RAHA EKENY.