You are here: home > Vetso

Tiany - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

TIANY

Toa azoko ato an –tsaina
Ny mety ho faniriany
Nanjohy anao hitia;
Fa tsy azoko lazaina
Na tsy ho tantaraiko.
Ka ho anao mihitsy
No antony ibitsihako
Ity fanahy ity :

“Tiany ianao matoa
Ny anaranao rehetra
No laniny tsinjery,
Sy nentiny  hoventesina;
Tiany tsisy fetra !!!”

Na ny tena marina
Dia ny fony mihitsy
No tsy azony vonoina;
Ka tiany foana ianao
Matoa izy miarina…

Tena tiany mihitsy
Saingy mankahala;
Ka tiany ianao malala a !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo