Tofoka (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOFOKA

Tofoka azy ianao
Matoa manaiky ho halany ;
Fa raha ny fahitako
Ny kirinao ho tiana
Sy sahy namikitra azy,
Dia ianao mihitsy
No tokony ho malalany;
Tena ianao mihitsy
Fa tsy mba vazivazy !

Tofoka azy ianao
Fa leo “niangavy farany”,
Aiza moa r’ise
No hahavitàna hamikitra
Soavaly tapa –tady
Na ombimanga an’ala ?
Hikiry tsisy varany ?!
Saina fotsy atsangana
Hamarana ny ady.

Safidy hafa hateraka
Fa aoka izay ny aminy !
Hitako eto mantsy
Fa tofoka azy ianao :
Tofoka tanteraka !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In – TANAN-DAVA
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1033 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
tongasoa ( 06/06/2004 19:53)
hita fa mety dompitiavana ve sa hoe ahoana ny fahitako io ranamana io
sarondrahona ( 07/06/2004 06:34)
Tsy dom -pitiavana io fa fara -porofo, raha ny fahitako ny zotry ny tantarany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0289