Tokako (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKAKO

Sarotra amiko ny hangina
Tsy hihira anao intsony,
Na dia miha –ritra aza
Ny loharano natsakàna
Nanovozana ny siny;
Ho an’ny hafa mety ho mora
Ny mampandefitra ny fony,
Fa raha ny ahy tokam –po :
“Rehefa iny ny ahy, dia iny !”

Sarotra amiko ny hionona
Hanjary tsy hikalo anao,
Na dia miha –ringitra aza
Ny ravina niaraha –nialoka
Sy niombonana hatrizay;
Ny hafa mantsy raha mitia
Mety mbola milalao,
F’izaho tsy miovaova teny :
“Rehefa izay ny ahy, dia izay !”

Sarotra amiko ny hanaiky
Hampitsahatra ny foko,
Na dia ho lavenona aza
Ity kitay ho lany ity
Sy ny sisa mba hatohaka;
Tsy omeko tsiny ny hafa
Raha miovaova loko,
Nefa tsisy fo maritra
Fa “raha tsy manta io, dia mohaka !”

Ka ho sarotra aminao
Ny hitaba sy hikiaka,
Na hanosy an –kitsirano
Ny faniriako ho tia anao,
Na ny fikiriko ho tiana;
Ny olon –kafa mety hahazaka
Raha totofanao riaka,
Fa ny saiko ny ahy tsy miova :
“Rehefa tiana ianao, dia tiana !!!”

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
969 2
Mpakafy: sarondrahona - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153