You are here: home > Vetso

Toroka - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?


TOROKA

Tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny
Dia tiako homena tsiny !
Fa hatramin’ny herintaona izy no toa hafahafa
Raha izaho no mitafa
Sy mba manontany, dia… zara raha mamaly
Sy hita  hoe : “TSY FALY”
Ka tsy haiko Ramose, fa ilay madama iny
Dia tiako homena tsiny !

Tsy haiko koa na izaho, no halany fa malina
Sy tia mandalindalina;
Ka sao hitovy aminy ny fantatro sy ny haiko,
Nefa …asa… tsy haiko !!!
Fa rehefa izaho no resy, dia hainy manakora,
Fosainy moramora;
Ka tsy haiko koa na izaho no halany fa malina
Sy tia mandalindalina !!!

Izao raha miditra izy, dia tsy miteny gasy
Mankato an-dakilasy,
Ny fampianarany aza toa tsy mazava intsony
Fa zary lasa ambony;
Dia mino izy angamba, fa tsotsora-kay
Satria  maharesy anay…
Ka izao raha miditra izy, dia tsy miteny gasy
Mankato an –dakilasy

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( Tél: 033 14 253 57)
Faribola SANDRATRA  Antananarivo
In- TANAN-DAVA

Sokajy : Ahiahy

Hametraka hevitra

Midira aloha