You are here: home > Vetso

Tsy ialahy - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

TSY IALAHY

Tsy tsapany letsy  fa ialahy no mijaly a !
Ialahy efa hotsaka , sempotra anaty,
Mikiry hampitohy ny lalana maty,
Mikiry hanarina ny efa mivava;
Ialahy foana no te- hiady irery
Fa ny azy ny lalany efa mazava :
“Toerana hafa no misy ny valany !”

Ialahy taolanina tsisy hojerena :
Mahia amin’ny tiana, tsy tia an’ ialahy !
Mahafoy tori –maso amin’ny adim –panahy !
‘zao lesy sisa ilay ialahy fahiny…!!!
Ialahy foana no manongo maty
Manaiky hatosika sy hampijaliany :
“Tsy anjaran’ialahy letsy ny ho malalany a !”

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo

Hevitra mandeha

hery (12/06/2004 13:31:53)

Hmmm, mahalasa saina