Tsy ihoarana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IHOARANA ( ho an’i Zandry)


Any ise ry Zandry !
I Zoky no manoratra
Sy tonga mba mamangy,
Hivatsy « manahoana ! » ;
Fa misy ampahan –tsaina
Toa tsy tafandry mandry
Mifoha anaty sangy,
Kobanin’ny maraina.
Satria ny dingan –dava
Nataon’ise taminy
Tsy tratrany herintaona,
Fa vitany nafarana.

Mahery ise ry zandry
Ka mampanaiky Zoky :
“Mahery fa TSY IHOARANA !!!”
Mahery raha lazaina

Ny hirantsika anefa
Vao mainka koa manako
Toa kalon’anjoria;
Manainga vetsovetso
Ho tody hatramin’ny farany !
Dia miainga ny fanahy
Misondrotra hiantefa;
Taitra an –toerana eto,
Miainga tsisy adalo.
Satria i Zoky gaga
Fa tsy mba nantenainy
Ho hain’ise ny anarany,
Na ny fahafantarana;
Mahery ise ry Zandry
Ka dia tsaroan’i Zoky :
“Mahery fa TSY IHOARANA !”
Inoako fa tsy handalo…


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
782 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135