Tsy maintsy (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAINTSY

Raha lasa aho kanefa
Ianao mbola eto,
Dia tsotra ny teniko
Ho anao Sakaiza :
Aza tomany !
Aza misento
Fa ianao tsy hohadinoiko
Na aiza na aiza !

Raha lasa aho kanefa
Ianao mitioetra,
Da ity ny ahy ny toky
K aza hariana :
Mhaiza mitraka !
Ario ny anjoretra !
Fa izaho tsy manary
Na oviana na oviana !

Na hisy na tsy hisy
Ny andro hisarahana
Dia mbola hamafisiko
Ny ahy ny fihavanana :
Isika tsy hisaraka !
Ianao tsy hiatahana !
Fatory aho fa isika
TSY MAINTSY MPINAMANA!!!


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
18 Aprily 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1309 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143