Tsy vita (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY VITA ( ho an’i DAVID RAZAFINDRAKOTO)

Sarotra kosa ny hiova fitàna
Na misy dia misy aza VAZO MITOVY
Raha izaho valovotaka no hiova fitàna
Dia “ZANA –BARATRA” izay fa tsarovy !

ANTANANARIVO, tsy ho AMBATOMANOINA
Ny DAVIDkely, tsy ho DAVIDbe
Ny antsika ny sary efa tsy azo vonoina
Ka izaho ve hahafaty ny anaran’ise ?

Sarotra ho ‘aho, mba sarotra kosa
Raha ny hirako tany no havalako atỳ
Ny antsika efa antontany sady miavosa
Ka mba sangy angamba ity resaka ity

Izaho mahatsiaro, izaho mahatadidy
Fa namako foana izay “DAVID” izay,
Ny fihavanako aminy tsy azoko amidy
Fa lova mipetraka mandrakizay !

Nanoratra ise fa sendra nahatsiaro
Di niventiventy ny anaran’I FENO
MPINAMANA ISIKA, satria , Zoky, afaro
Ny andro nipoaka… ny erika afeno

Fa ANTANANARIVO tsy ho AMBATOMANOINA
Ny DAVIDkely tsy ho DAVIDbe
Ny antsika ny sary efa tsy azo vonoina
Ka izaho ve hahafaty ny anaran’ise ?

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
874 2
Mpakafy: sarondrahona - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146