You are here: home > Vetso

Vahatr'aina - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

VAHATR’AINA

Nangina tsy satry ny olon-drehetra
Fa hitany ianao;
Hitany tena nifofotra mafy
Nanao vivery sy nisorona  aina:
Nikimpy nitolona.
Tetsy ianao hita dia terỳ tazana:
Nafatotrao tamin’ny fara-fitia
Ilay hoe:TANINDRAZANA!!!


Dia niaiky daholo ny mason’ny olona
Nahita anao
Fa hay mbola misy mikiry tokoa
Iray sahy maty hamonjy ny taniny,
Vonon-kijoro?
Nantsoinao ny olona ho fandresena:
Nafatotrao tamin’ny fara-fitiavana
Ilay FIRENENA!!!


SARONDRAHONA  RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Tambohon’ny RADIO MADAGASIKARA
ANOSY faha,20 jona 2003

Sokajy : Tanindrazana