Valin-kafatra (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ianao hazomanga natao hiankinana indray no nanjary bararata fandroahan -kisoa" R.JO

VALIN-KAFATRA ( Ho an'i R.JO sy R.Justin)


Tsy hoe niova aho
Fa nisy tiako hatao;
Asidra ihany ireny !
Ninia naditra aho
Mba hampahendry anao:
Hijoro tsy hivena;
Ninia nivatravatra
Mba hampanongo anao
Hoe : hahatsiaro tena.
Fa izaho, izaho ihany !
Volana kakafotra
No tsinjonao Sakaiza
Fa tsisy niova izany !

Ninia nikimpy mihitsy aho
Mba hamantaranao
Ny tena fahendrena;
Ninia nangata – dava
Mba tsy hifikiranao
Amin'ny vola sy ny harena.
Nitokona tsy handeha…
Mba tsy samy isika
No hifampirehareha !!!

Raha kibo na tsinay,
Tsy hataoko ho saro –bidy;
Fa niafi –masaka aho,
mba hanazatra anao
hahay handray adidy
amin'ny fiainan –tokantrano !
Tiako ho tasapanao,
Fa tokony hatsaka
Raha mahay misotro rano:
Tsy ho tohofan - jinga .
Fa ny fanazarana
Ny maro tahaka izany
No lasa mampandringa…

















Dia lasa saina ianao
Hoe: "tena niova i Zoky !"
Na "tena niova i Zandry !":
"Manorona kidoro!?
Kanefa izao no marina :
Na izaho na ianareo
Dia samy tsisy atoro
Fa "halan'ny lalàna
Ny feo mitabataba
Raha misy tapi –mandry"
Ka tsy fanariana,
Fa rehefa tonga ny alina
Dia ataovy fahazarana
Ny midaboka mangina!

Nanan –tsiny aho
Raha tsy nanao izany,
Fa ny fihavanantsika,
Fihavanantsika ihany.

Ritra koa ny rano,
Ka raha afaka mitsaka
Mità mankany an -trano

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
1783 1
Mpakafy: pisokody
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152