Vay (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAY

Teny kely farany
Sy bitsika ho anao :
Manivatsiva anaty
Mamakivaky ny ony
Ny kiry te- hitroatra;
Ary be ny teny
Tsy dia tsaroako loatra
Misavika mankany !
Ka na dia fato –maty
Sy fantsika alin –kisa
Voadidim –bahana aza;
Dia drikiko ny ho any,
Ho any hahita anao !

Fa izay hatramin’ny farany
Hirongadrongatra ao !!!

Ka na inona efa atomotra
Na inona efa ambivitra,
Tsy maty antoka aho
Raha mbola mivazizotra
Teny indraim –bava…
« Miandry, manantena ! »

Fa na iza koa hisakana,
Na inona fitsipaka,
Dia izay sahy maty
No mifono lambamena

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
758 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149