Very (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VERY

Voafitakao izy
Raha izay no tena marina ;
Satria tsaroako tsara
Ny angano lavanao
Sy ireo tantara maro,
Fa tao am –pony ianao
No mbola sahy nisavika
Fitia nagalarina !
Saingy mba tsy fantany !!!
Nefa nony atỳ,
Dia terenao ho masaka
Sy ezahanao potsirina
Ny loham –bay mantany :
Voafitakao izy
Ka tapitra ny lalany !

Fa izy mantsy izao
No fantatrao fa lavo,
Solafaka famindra
Dia araraotinao.
Nefa raha ny marina
Dia ny hitsakitsakao
No tena mafy indrindra;
Ary lavo izy
Fa efa mba tafarina.

Ka voafitakao izy
Raha tena hiala ianao :
‘Zay vao tena very !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
748 2
Mpakafy: sarondrahona - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146