Vitantsika (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VITANTSIKA ?

Ho vitantsika ve ny hikiry hanadino
Ka hahavatra hikimpy tsy hibanjina ny tany ?
Fa mbola maro loatra ny olona tsy mino
Firy ireo mpanjeny mieli – patrana any ?

Nitory ianao, ekeko, nilaza famonjena
Nefa hatramin’izao tsy mbola tafapàka
Dia kivy angamba ianao raha mitsara tena
Fa ny olo – nitoriana no lasa niongo – paka

Kanefa mahereza, fa ahoana no hiverina ?
Mandrosoa hatrany, tohizo indray ny tolona
Na taona folo aza no tonga mitsingerina
Dia aza mbola miato raha tsy voavonjy ny olona !

Ka ho vitantsika ve ny hiraviravy tanana,
Tsy sahy hitory akory ny tena FAHAMARINANA ?
Asa aloha Sakaiza a ! fa eto am –pamaranana,
Dia ianao mihitsy no ajoro ho andry iankinana.

Ka vitantsika ve ny hikiry hanadino
Na hahavita hikimpy tsy hibanjina ny tany ?
Fa mbola maro anie ny olona tsy mino e !
Firy ireo mpanjeny mielin-patrana any ?


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
866 2
Mpakafy: sarondrahona - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144