Voady (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOADY

Hifamofo isika
Dia hifampitantana
Hanatona ALITARA,
Ary hifanaiky;
Ka tsarovy tsara
Fa ny DINA rehetra rehetra
No fetran –tanjontsika
Na alavitra, na akaiky !

Manomboka eto izany
Dia roso ny farimbona
Sy izay fanaon’ny olona :
Hihoitra sy hitady !
Hiaina sy hitolona !
Ary ataovy an –tsaina
Fa fenitra ohatr’izany
No adidin’ny Mpivady !

Etsy andaniny etsy,
Tsy azontsika avela
Ny resa –pianakavy
Sy soritra loloha,
Fa zara miandry av ;
Ka hifamofo isika,
Ary hifampitondra
Eo imason’ny Tsitoha.

Ny ho zanatsika
Sy taranaka handimby,
Dia tena mbola adidy
Sy fanompoana masina :
Satria fitia safidy !
Ka raha hivady isika
Dia tena hifameno
Hifampanondrotra hasina

Fa ianao no anjarako
Sy tolotr’Andriamanitra
Ka entiko am –pitiavana

Izany no anafarako
Hotananao maharitra :
Ho lalana rahavana !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1036 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
vetsoko ( 13/12/2004 19:20)
tena tia ianao matoa sahy mivoady,mahità fahasambarana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147