Voasariny (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOASARINY

Izy raha nisaina,
Tsy nanampo akory
Hamoha fota – mandry
Na hoe hanoka – pery !
Fa olona mba fantany
No tazany fa ory,
Dia izay no nanoratany
Teny mampahery.

Eny, misy lalana
Manatrika anareo,
Kanefa fantatrao
Fa tsy iny no fizorany
Dia vaka ianao satria :
Toa ianao ilay nitoreo
No tonga lahateny
Sy matoan –dahatsorany !

Kanefa olon –kafa
No nahatohina azy;
Dia tsy namelàny
Raha tsy tafatràka;
Ka fiainana mitovy,
Ny sentonao sy ny azy
Na mety fahoriana
Niara – niongo – paka .

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
846 2
Mpakafy: sarondrahona - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144