You are here: home > Vetso

Zatra - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

ZATRA

Mangina ianao anio !
Mangina tsy miteny;
Mangina tsy hilaza ny efa fantatrao
Sy ananao hay,
Milefitra henjehina
Resin –takoritsika
Sy petraka an –kamehana
Hatretsy sy hatreroa :
« Rehefa tsy miteny
Dia MANGINA ianao izay ! »

Tsarovy tsara anefa
Fa ireny  teny maro
Sy  hevitra nasisika natelinao ireny;
Dia takonao anio,
Azonao afenina.
Fa mbola hisy andro
Hohadinina aminao
Ny fantatrao rehetra,
Ninia –tsy notenenina !

Dia hamaly ianao io !

Ny androany aloha
Dia mitenena ihany;
Milazà ny marina !
Fa isika tsy kanosa
Na hoe malaina hianjera:
Satria mba zatra miarina !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo