MILA RAHARAHA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisavisaka ny lasa sy ny omaly aho androany
Nangarongarona ny adino, s’ireo nivalona efa tany
Nitady aretina no marina, asa angaha tsy laitra anarina
Fa namoha ny lasantsika, ka ny fahiny nofongarina

Niverenako niainana, ilay fotoana voalohany
Toa tsapako hoe vao eo, ilay fotoana nanombohany,
Mbola haiko sary an-tsaina, ilay tokontanibe
Ilay isika roa nitokana , nanomboka ilay resa-be

Dia niverenako niainana, ilay antso an-tariby
Efa ora maromaro, tena mamy fy dia fy
Ary indrindra hatramin’izao, izaho te hanontany anao
Inona no tena antony, tamin’ilay antsonao ?

Dia niverenako daholo, ireo halatra sy ny hoa-pefy
Ireo fandikana ireo izay “rariny” , ireo fotoana izay voarefy
Ireo fiarahana niafina, ireo fisintahana tanàna
Ilay isika roa nitokana, tsy nety resim-pandraràna

Dia niverenako indray, ilay antsonao iray
Feno alahelo ranomaso, tany Ampefy aho tamin’izay
Nilaza ianao fa handeha, k’hanao veloma fotsiny ihany,
Niezaka ny hoe hitony, ka hoe tantara lasa izany

Dia niverenako ny lasa, nefa hatramin’izao re asa,
Fa tsy tantiko daholo, ny foko mbola voarasa
Rehefa mitsiahy izany, na dia efa firy taona tany
Ka hany heriko nanoratra, amin’izay aho tsy tomany

.........
--------
Rohy:
1350 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151