TIAKO IANAO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao

Tiako ianao , Tiako ianao, tena Tiako, tena Tiako
ny hiara-dalana aminao , mandrakizay no faniriako

ny hifampizara fifaliana , hasambarana etsetra
hifanambitamby, hifanohana, raha toa ny iray ka manjoretra

nefa . . .

ny lalana izorantsika, lalan-droa samihafa
ianao manana ny fiainanao, izaho manana izay kinasa

ianao manana ilay rambo kely, sy ilay mpiambina masiaka
izaho te hanana fiainana, milamina ts'isy tomika

eny

na dia niezaka aho, handresy lahatra anao
hoe vonona anie ny foko , hamoy ny rehetra noho ianao

na dia tena matotra , ny foko raha nitia anao,
hoe ny antsika tsy mba sangy, na ala-voly na lalao

saingy

dia tso-drano ts'isy nenina, no natolotrao ahy,
ny alahelonao nafenina, mba tsy handratra ny fanahy

dia nampiomana ianao, hoe aza taitra na koa gaga
raha hisy fihetsika vaovao, na teny hafa ho voalaza

dia

tsy hitako izay ambara, tsy hitako izay havaly,
sadaikatra ny ao anatiko, malahelo aho nefa faly,

satria izany rehetra izany, dia mbola manambara,
fa ny fitiavako sy ianao , dia tsy angano na tantara

ka

ny hafatra izay tiako ambara sy ny teny izay lazaiko, ,
Tiako ianao, Tiako foana, ka izay mitranga eo hozakaiko

efa niomana aho ny hamoy , ny rehetra noho ianao,
ka raha ho rava ny fiainako, ekeko satria Tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3178 4
Hevitra mandeha
cialaurie ( 12/07/2007 07:52)
fitiavana be fa compliqué
tsikikely ( 12/07/2007 17:35)
Mitovy eritreritra amiko ny amin'izay olona izay ianao. Vava tsy latsaka fotsiny. Tsara ny asa soratrao. Misaotra.
Ryana ( 17/07/2007 20:08)
Lalina dia lalina... Izany tokoa ve ny atao hoe "tena tia"???
Mankasitraka ê!
Ryana
salohy ( 26/07/2007 08:53)
tiako tena tiako ny tononkalonao, tena mahafinaritra e! tohizo! de mahereza e!
misset ( 21/08/2007 12:51)
tsara be le tononkalonao, ohatran'ny tantara kely mitsy, misaotra
evakely ( 11/09/2007 14:28)
Mampatsiahy tantaran'olona izay tena misy tokoa ny tononkalonao, tohizo fa tsara
scotlandyard ( 13/10/2007 12:28)
mba tantaran'iza loatra re izany ry evakely e !!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116