Fitia voafetra (Sento tokana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia voarara ve sa?
fitia voafetra,
Fitia tsy anjara ve sa?
fitia tsy manam-petra.


Nofinofim-pitia ve sa?
fitia nofinofy,
De ahavita iharadia ve sa?
mba tojo nofinofy.


Anjara nofinidy ve sa?
efa voalahatra
Tsimaintsy mizaka ny mangidy ve sa?
ilay fitia no tsy aharitra.


Fitia tsizarizary ve sa?
fitia tsy tsara orina
Fitia mararirary ve sa?
fitia tsy mbola vonona.

FITIA VOAFETRA ANGAMBA


Fitia voafetra
izay no azo ambara
Fitia voafetra
Ka aleo ijanona ho tantara.
Sento tokana
--------
Rohy:
1252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099