nofy gaigy (Sento tokana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY
Ilay fanantenako efa tafatsiry tato anaty,
De tsimaintsy alevina indray satria efa maty.
Ilay afaliako efa nipoitra
De tsimaintsy hapanginina tsy avela hitraotra.



Raha mba fantatro mialoha mantsy
Dia aleoko tsy nanantena intsony
Aleoko nangina sady nitony



Raha mba fantatro mialoha mantsy
Hoe tsy maintsy ohatr'izao
De aleoko ihany tsy nijery anao.



Tsy nampoiziko nefa
Fa Kay izaho no tsy ampy fiheverana
De zary ilay fitiavako no diso toerana


Tsy nampoiziko mihitsy
Fa ilay noheverinao ho anihany
Rehefa aty amiko dia nivadika tomany




Tsy noheritreretiko androany
Hoe izao no niafarany
Niafaran'ilay nofiko



Kay moa izaho nanofy fotsiny ihany
Fa tsy natao ho tanteraka
Na koa natao itoetra fa nofy de nofy nofinofy

Sento tokana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
968 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097