CAFE (singam-pitiasaropady)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
CAFE ☕Mararirary an-doha ?
Sa te mba hiari-tory
Aza miasa loha fa ny kaopinao tolory
Ho rarahiko café ☕
Somary reradreraka !
Sa mangatsiaka ?
Aza midanakaa
F'ity ny ody risika
Menamena maso !
Sa somary kamokamo
Ho ento aty ny kaopy
Dia eo ity andamo ☕
Raha toa matsatsotsatso
Sarotra telomina
Raiso ny mofo gasy
Dia tandremo sao kofona ?☕
#Singam_pitia_Saropady ✍??
>>> 16012026
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : singam-pitiasaropadyNampiditra : SingampitiaSaropady
Daty : 24/01/2026 12:22
