HAFATRA FARANY (singam-pitiasaropady)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
#HAFATRA_FARANY ?

Aza tapohina aho raha tsy hitia intsony ianao
Fa lazao mialoha hoe isika hifandao
Efa haiko mantsy hoe...
ianao efa te hiala
Ka raha sitrakao malala

Alohan'ny hialanao tsy ho olon-tiako intsony
Mialohan'ny hametrahanao veloma mandramaty

Dia lazao ahy mialoha
Hoe ianao tsy ho ahy intsony

Dia fara fiangaviana
Mialohan'ny fara oroka ho veloma
Dia eo lazao ahy hoe...
Tsy hiaona intsony ?

Na aza mety hitondra ratra
Tsy ho vitram-panafody
Dia lazao ahy mialoha
Mba ampihomanako ny foko
Hoe ianao tsy ho ahy intsony.

#SINGAM_PITIA_SAROPADY ❤️✍?

11012026 20:09'
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
50 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : singam-pitiasaropady
Inséré par : SingampitiaSaropady
Date : 24/01/2026 12:27
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124