DISO ADIRESY (singam-pitiasaropady)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DISO ADIRESY ❤️?Diso adiresy ilay fonao tsara tempo
Nanavatsava tato anatin'ny zaridaina ngazana
Ngazan'ny ratra sy takopery maro ❤️?
Diso adiresy ilay tsikinao niantefa
Satria eto anjaridainan'ny raozy efa nilofika
Teto ianao no niondrika
Namboraka fitiavana ?
Diso adiresy ianao
Namangy ity akaniko
Diso adiresy
Nitsidika hitady izay goka kely mamiko
Fa sendra vahona mangidy
Mifona aho fa tsy safidy
Tsy safidiko fa resy ?
Ianao koa moa diso adiresy...
#Singam_pitia_Saropady ✍?❤️?
>>>§23012026
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
