DISOKO AHO (singam-pitiasaropady)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DISOKO AHO ❤️?Raha fantatro mialoha
Hoe isika hifandao
Koa raha efa haiko
Hoe ny atsika kilalao
Dia tsy niandrasako hiafara tamin'izao
Raha tsinjoko mialoha
Hoe izao no hiafarany
Dia efa tamin'ireny aho no nanda avy hatrany
Eny raha mba haiko
Ny tena tao ampony
Dia andritriny ihany aho
No nihezaka ny ho tony
Nifehy izay tato ampoko
F'izao efa fahatarana
No mikikiaka mandatsa
Manesoeso sy mandratra
F'izao ilay teny tahak'izay
No mibahana ao an-tsaina
#Singam_pitia_Saropady ✍?❤️
>>^§ 21012026
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Azrael666
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : singam-pitiasaropadyNampiditra : SingampitiaSaropady
Daty : 24/01/2026 12:19
