NENY (singam-pitiasaropady)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENY ?Misaotra tamin'ireo anatra maro
Na narahinao bedibedy
Teny mamy nifangaro
Dia lasa vato fatsika miraikitra ato antsaiko
Ireo anatrao
Maro samihafa
Nataoko tohatra hiakarana
Ato ampoko tsy voafafa
Ianao no nisasatra
Niangavy fahandreko
Dia efa nihezaka aho
Mba hampifaly anao hatreto
Dia ianao aza manahy
F'izaho aty mihezaka tsy ho halaim-panahy
Fa mbola ataoko tarigetrako ireo rehetra anatrao
Hoe ny ho hendry sy ho tafita
Izay no reharehanao ❤️
#Singam_pitia_Saropady ✍??
>>>15012026.
--------
Rohy:
Sokajy :
Neny
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : singam-pitiasaropadyNampiditra : SingampitiaSaropady
Daty : 24/01/2026 12:23
