You are here: home > Vetso

FA TIKO IANAO - Sitrak'i Ny AVO

Azo vakiana?

ILAY FITIAVAKO

Ilay masonao nitopy,
No nadrehitra indray,
Ilay jiro nitsilopy.

Dia niampy ilay famindra,
Sy lay resaka hatrizay,
Dia nohoveriko hifandrindra.

Voamaika niampy tsiky kely,
Fa neveriko ho tantely,
Natohoka tamin'ny vavako.

Ireo rehetra no nifangaro,
Dia ampy ho taharo,
Nampitsiry ilay fitiavako.

Sitrak'i Ny AVO

Sokajy : Fitiavana