MPAMOSAVY !!! - Sitrak'i Ny AVO
Azo vakiana?
MPAMOSAVY !!!
Raha sendra harivariva
Na koa efa hadivadiva,
Ny amin’ny folo alina,
Mba mahaiza malimalina
Fa Rafotsibe mijoko
No indro mitakoko
Miandr anao ambody hazo,
Mody hoe malazolazo,
Fa tsy fantatrao ny heriny,
Na ‘zay mety ho feriny,[aza]
Tsy ho tsaroany izany,
Fa eo antokoany,
Ny fotoanan’izy ireo,
Mody ratsy feo ,
Fa mahery vaika.
Tsy hafa higaika:
Raha sendra ka …
Fa raha zaho no sendra azy
Zaho tsy hivazivazy :
Hitondrasako kobay,
Na koa tapaka kitay
Holakoko, hoaratraiko.
Raha toa hifofo ny aiko.
Ataovy ange e!
'Zay mafy be !!!!!
Sitrak'i Ny AVO
Sokajy :
Aingam-panahy, vazivazy
Mombamomba
Mpanoratra : Sitrak'i Ny AVO
Nampiditra : SytrakaDaty : 25/07/2013
Mpamangy : 1254
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
FA TIKO IANAOFOSA FOSA
MISOKO MANGINA
IZAY NO FARATENIKO
RAHOVINA NO HIFARANA ?
RAHA TOA...
TSY DIA IZANY LOATRA
TSY HO ZAKANAO